Kolosiana 2:6-7

Fifaliana ho anay ny miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.
Amin’ity herinandro ity, dia hijery ny vokatry ny toriteny sy ny fampianarana isika.
Hoy i Paoly Apostoly:
« Koa tahaka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesoa Tompo, dia mandehana ao Aminy araka izany koa, ka mamaka tsara sy miorina mafy ao Aminy ary tafatoetra amin’ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto amin’ny fisaorana » (Kol 2,6-7).
Asehoy miharihary eo amin’ny fiainanao izany rehetra izany.
Mahereza. Amen.
Ny Mpitandrina