SAMPANA sy ASA:
SEKOLY ALAHADY:
– Isaky ny Alahady amin’ny 3 ora tolakandro ny fianarana SA eny am-piangonana.
– Hanao sortie eny amin’ny ITCJ Angré ny 14/02. Misoratra anarana eny amin’ny mpampianatra SA izay rehetra handeha, hatramin’ny 08/02. Manao tenue de sport. Ny fiaingana dia amin’ny 9h30 ary ny fodiana dia amin’ny 16h. Efa misy ny sakafo sy rano.
KATEKOMENA:
Ny fianarana dia atao eny am-piangonana eny amin’ny Plateau isaky ny Alahady amin’ny 2 ora tolakandro,
ANTOKOM-PIHIRA
Fifampiarahabana tratry ny taona dia hatao eny an-tokantranon’i Tatie Nivo amin’ny sabotsy 07/02 amin’ny 4 ora tolakandro
FANDAHARAM-POTOANA MANDRITRA NY HERINANDRO:.
Cellule de Prière: ny Alarobia 04/02 dia hatao eny an-tokantranon’i Tatie Ando amin’ny 3h30-4h30,
Fiarahana mandinika Soratra Masina hiarahana amin’ny Sampana dimy sy ny Fiangonana manontolo, ny zoma 06/02, amin’ny 7h-8h alina eny am-piangonana eny amin’ny Plateau,
Ny fanompoam-pivavahana amin’ny Alahady 08/02 dia hatao eny amin’ny Plateau manomboka amin’ny 4 ora tolakandro
An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.