Sampana sy Asa:
Sekoly Alahady:
Namboka anio ny Fanombohan’ny taom-pianarana, koa dia manasa ny ray aman-dreny rehetra mba hitondra ny zanany hianatra Sekoly Alahady isaky ny Alahady. Ny fianarana dia aorian’ny fanompoam-pivavahana maraina,
Cellule de prière:
Isaky ny Alarobia tolakandro amin’ny 3 – 4 ora eto am-piangonana. Manomboka amin’ny Alarobia 25/09/2024 izao.
Manasa ny mpino izay mba manam-potoana rehetra mba ho tonga fa ilaina ny mivavaka sy ny mifampitondra amam-bavaka,
Fiarahana mandinika Soratra Masina:
Manomboka amin’ny zoma 27/09/2024 amin’ny 7 – 8 ora hariva aty am-piangonana.
Ny hiarahana mandinika amin’izany dia ny hoe: « Sola fides na Seule foi na ny Finoana irery » io dia iray amin’ny maha Protestanta antsika.
Manasa ny mpino rehetra mba ho tonga maro.
Antokom-pihira:
Mivory ny birao amin’ny sabotsy izao 28/09/2024 amin’ny 5 ora hariva any an-tokantranon’i Tatie Laetitia,
Katekomena:
Manomboka amin’ny sabotsy 28/09/2024 izao ny fianarana aty am-piangonana. Amin’ny 2 – 4 ora.
Alahady 29/09/2024 dia Alahady farany, noho izany dia misy ny fanomanam-panahy aorian’ny fanompoam-pivavahana.
An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.