Vaovaom-piangonana 29/09/2024

SAMPANA sy ASA

SEKOLY ALAHADY:

  • Mitohy ny fianarana aorian’ny fanompoam-pivavahana
  • Mihofana miaraka amin’ny Mpitandrina ny Mpampianatra amin’ny Sabotsy 05/10/2024 amin’ny 2h30-4h30, eny am-piangonana

ANTOKOM-PIHIRA:
Hasaina ny mpikambana rehetra mba ho tonga hivory eny am-piangonana ny Sabotsy 05/10/2024 amin’ny 5 ora hariva.
Hasaina koa ireo izay vonona hanatevin- daharana ny Antokom-pihira mba ho tonga amin’io fotoana io.

SAMPANA VEHIVAVY:
Manomana fivoahana izy ireo ka dia tsarovantsika amam-bavaka.

CELLULE DE PRIÈRE:
Eny am-piangonana isaky Alarobia amin’ny 2h-4h. Hanasna ny kristiana rehetra tsy an-kanavaka.

FIARAHA- MANDINIKA SORATRA MASINA:
Isaky ny Zoma hariva amin’ny 7h-8h eny am-piangonana. Hanasana ny mpino rehetra mba ho tonga maro. Ny lohahevitra: Finoana irery ihany (seule foi = sola fide)

An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.