Vaovaom-piangonana 28/01/2024

SAMPANA SY ASA:

SEKOLY ALAHADY:

  • Mianatra izy ireo aorian’ny fanompoam-pivavahana maraina izao,
  • Sabotsy 03/02/2024 amin’ny 14h30-17h dia fivorian’ny mpampianatra SA eny an-tokatranon’i Tatie Nathalie,

ANTOKOM-PIHIRA:
Sabotsy 03/02/2024 amin’ny 17h dia fianaran-kira izay hatao any an-tokatranon’i Tatie Fetra,

KATEKOMENA:
Mianatra izy ireo aorian’izao fanompoam-pivavahana maraina izao.

Ny FKMA:
Mbola eny amin’ny CELAF Riviera hatrany ny fanompoam-pivavahana amin’ny Alahady Fandraisana: 04/02 izao manomboka amin’ny 9h tsy diso.

VONINKAZO:
Anjaran’ny Sampana Vehivavy ny Voninkazo amin’ny Alahady Fandraisana izao.

An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.