Vaovaom-Piangonana Alahady 29/10/2023

SAMPANA SY ASA:

Ankatoky ny Fandraisana anio, mianatra ny Sekoly Alahady aorian’izany,

Androany hariva amin’ny 3h30 no fotoana ho an’ny STK any an-tokatranon’i Davida ANDRIAMAMPAHERY eny Cocody Sainte Marie.

Mitohy ny fanangonana ny fanomezana izay hatolotra ny « Programme Samuel » isaky ny Alahady, ka ny Alahady 10/12/2023 no fara fandraisana ny fanomezana.

FANDAHARANA MANDRITRA NY HERINANDRO:

Alarobia 1er/11/2023:
Fisindàn’ny Fiangonana tontolo andeo izay hatao eny amin’ny Aleria Bassam: manaraka ny ancien route de Bassam, aorian’ny La Goulette dia misy ny station Petroivoire dia eo am-pitany no mitsofoka any amin’ny Aleria
Manomboka amin’ny 9h30 ny fotoana.
Ny isa-pianakaviana dia samy hitondra ny fitaovam-pihinanana, rano sy jus, goûter, dessert, accompagnement.
Fiombonana sy firaisana ary fifankatiavana no tanjona ka tongava maro. Any amin’i Tatie Niry sy Dada Rado ny fisoratana anarana.

Zoma 03/11/2023:
amin’ny 7h-8h hariva ny Fiaraha-mandinika Soratra Masina.
Ny « Prédestination », fizarana faharoa no hodinihantsika, koa tongava maro.

An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.