Famintinana fiaraha-mandinika Soratra Masina : “Prédestination” Fizarana farana

FIARAHANA MANDINIKA SORATRA MASINA 10/11/2023, Prédestination (tohiny sady farany)

4.4: Rom 9,22-23: Fanaky ny fahatezerana sy ny fanaky ny famindrampo (vases de colère et vases de miséricorde)

Araka ny dikan-teny fototra dia vazy no nadika amin’ny teny malagsy hoe: fanaka. Koa dia tazonina « ny vazy ».

Misy vazy roa karazana no hitantsika eto:

1.Vazin’ny fahatezerana (9,22):

Ny antony nanaovana vazy roa samy hafa dia « te-hampahafantatra ny heriny Andriamanitra na koa te-hampahafantatra ny haren’ny voninahiny Izy »
Tsy voalaza eto anefa ny nanao an’ilay vazin’ny fahatezerana.
Ny valiny dia: ilay olona ihany; araka ny Rom 2,4-5:

  • ny ditran’ny fony tsy mibebaka,
  • manararaotra ny: fahamoram-panahan’ Andriamanitra sy ny fandeferany ary ny fahari-pony.
    Noho izany dia misy fiarahan’ Andriamanitra sy ny olona no maha vazin’ny fahatezerana azy.
    Kanefa dia hitantsika eto ny toetran’ Andriamanitra be famindrampo.
    Fehiny dia nomena fotoana hibebahany ny olona mba tsy ho vazin’ny fahatezerana, voavoatra hosimbana izy.

2.Vazin’ny famindrampo (9,23):

Namboarina izy ity mba hahazo voninahitra.

Hitantsika eto ny prédestination izay tsy inona akory fa ny fikasan’ Andriamanitra mialoha ho an’ny olona tsirairay na dia « fony tsy mbola ary aza ny fanorenan’izao tontolo izao » (Efes 1,4)

Ireto ny dingana ataon’ny Tompo amin’ny olona « omeny voninahitra » araka ny Rom 8,28-30:

  • notendreny (prédestinés),
  • nantsoiny (appelés),
  • nohamarininy (justifiés),
  • nomeny voninahitra (glorifiés)

Na dia voatendry ho amin’ny fahatezerana aza, dia miova hevitra Andriamanitra rehefa nibebaka ilay olona (Jer 18,7-10). Noho izany dia fotoana fibebahana sy fialana amin’ny ratsy ny androm-pahavelomantsika. Ary andro fitandremana mba tsy hanaovana an’izay tsy ankasitrahan’ Andriamanitra.
Amen.
(Nalaina tao amin’ny Biblequest)

An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.

Predestination Famintinana : Tapany voalohany | Predestination Famintinana : Tapany Faharoa