FKMA
manomboka izao ka mandrapahavitan’ny CAN 2023, dia eto amin’ny CELAF Riviera isika no miangona isaky ny Alahady maraina manomboka amin’ny 9 ora tsy diso,
SAMPANA SY ASA
- Sampana Sekoly Alahady:
Mianatra izy ireo aorian’ny fanompoam-pivavahana izao maraina izao - Sampana Vehivavy: nahatontosa ny fivoriana fanaony isam-bolana omaly sabotsy 13/01/2024, teny an-tokantranon’i Tatie Laetitia
- Antokom-pihira: hanao fiaraha misakafo sy fifampiarahabana tratry ny taona aorian’izao fanompoam-pivavahana izao eny an-tokatranon’i Tatie Hoby,
- Skoto Tranainy sy Sakaiza:
Aorian’ny fanompoam-pivavahana ny Alahady 21/01/2024; dia hanao fiaraha-misakafo sy fifampiarahabana tratry ny taona izy ireo, eny an-tokantranon’i Tatie Clémence, - VONINKAZO: anjaran’ny STS izany ny Alahady 21/01/2024,
- Diakona : Hivory eny an-tokantranon’i Tatie Laetitia ny diakona ny sabotsy 23/01/2024 izao manomboka amin’ny 5 ora
AVY ANY IVELANY
Raha sitrapon’ny Tompo dia ho tanterahana eny amin’ny La Sablière eny Binzerville, ny Alahady 28/01/2024 ny fiaraha-mivavaka miaraka amin’izy ireo sy ny FIKRIKAMA:
- Ny fanompoam-pivavahana dia iarahantsika sy ny FIKRIKAMA manatanteraka,
- Hisy fampahafantarana ny nidiran’ny Filazantsara tany Madagasikara,
- Samy mitondra sakafo malagasy ny isa-pianakaviana fa rehafa tonga eny dia hifampizarana,
- Tontolo andro isika no eny koa aoka mba samy hiomana. Ao anatin’ny « herinadro fiaraha-mivavaka ho an’ny fiombonana sy ny firaisan’ny kristiana » io fotoana io ka moaraka amintsika koa ny eny an-toerana (La Sablière),
Hozaraina eto ihany ny Géo localisation.
An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen