Mpandray ny Fanasan’ny Tompo lahy na vavy efa nifoha ara-panahy no mihomana ho mpiandry. Salama vatana sy saina ary fanahy izy no sady mahay mamaky teny sy manoratra. Mpandray ny Fanasan’ny Tompo resi-lahatra tanteraka amin’ny asam-pifohazana ny mpihomana.
Ny Mpitandrina no mampianatra ny mpihomana izay manaraka ny fandaharan-desona voarakitra ao amin’ny boky avoakan’ny Sekoly Fanomanana Laika (SEFALA) Foibe FJKM. Isaky ny Alatsinainy sy Talata hariva no mihomana ny eto amin’iny FKMA. Maharitra roa taona ny fianarana ka izay afa-panadinana sy mendrika ho tokanana mpiandry, dia hatolotra ny Sampana Fifohazana (SAFIF) Foibe FJKM.
Ny mpihomana mpiandry manam-bady ka tsy mbola vita tany am-piangonana ny fanamasinana ny fanambadiany, dia hatao aloha izany vao azo tokanana ho mpiandry izy.
Ny mpiandry voatokana dia toloran’ny SAFIF Foibe FJKM sertifika sy karatra maha mpiandry mba hahazoany manao ny asam-pifohazana manerana ny sahan’ny FJKM.
Hoy ny Tompo:
« Andraso ny ondrin’ Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin’ny sitrapo [araka an’ Andriamanitra]; tsy amin’ny fitiavana harena maloto, fa amin’ny zotom-panahy » (1Pet 5,2)
