Vaovaom-piangonana 14/01/2024

FKMA

manomboka izao ka mandrapahavitan’ny CAN 2023, dia eto amin’ny CELAF Riviera isika no miangona isaky ny Alahady maraina manomboka amin’ny 9 ora tsy diso,

SAMPANA SY ASA

  1. Sampana Sekoly Alahady:
    Mianatra izy ireo aorian’ny fanompoam-pivavahana izao maraina izao
  2. Sampana Vehivavy: nahatontosa ny fivoriana fanaony isam-bolana omaly sabotsy 13/01/2024, teny an-tokantranon’i Tatie Laetitia
  3. Antokom-pihira: hanao fiaraha misakafo sy fifampiarahabana tratry ny taona aorian’izao fanompoam-pivavahana izao eny an-tokatranon’i Tatie Hoby,
  4. Skoto Tranainy sy Sakaiza:
    Aorian’ny fanompoam-pivavahana ny Alahady 21/01/2024; dia hanao fiaraha-misakafo sy fifampiarahabana tratry ny taona izy ireo, eny an-tokantranon’i Tatie Clémence,
  5. VONINKAZO: anjaran’ny STS izany ny Alahady 21/01/2024,
  6. Diakona : Hivory eny an-tokantranon’i Tatie Laetitia ny diakona ny sabotsy 23/01/2024 izao manomboka amin’ny 5 ora

AVY ANY IVELANY

Raha sitrapon’ny Tompo dia ho tanterahana eny amin’ny La Sablière eny Binzerville, ny Alahady 28/01/2024 ny fiaraha-mivavaka miaraka amin’izy ireo sy ny FIKRIKAMA:

  1. Ny fanompoam-pivavahana dia iarahantsika sy ny FIKRIKAMA manatanteraka,
  2. Hisy fampahafantarana ny nidiran’ny Filazantsara tany Madagasikara,
  3. Samy mitondra sakafo malagasy ny isa-pianakaviana fa rehafa tonga eny dia hifampizarana,
  4. Tontolo andro isika no eny koa aoka mba samy hiomana. Ao anatin’ny « herinadro fiaraha-mivavaka ho an’ny fiombonana sy ny firaisan’ny kristiana » io fotoana io ka moaraka amintsika koa ny eny an-toerana (La Sablière),
    Hozaraina eto ihany ny Géo localisation.
    An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen