Finaritra.
Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina, ka manome antsika fahendrena mba hahazoantsika miaina araka ny Fanahy fa tsy araka ny nofo. Hamarinin’ny Apostoly Paoly izany, ka hoy izy:
« Fa isika tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin’ Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen’ Andriamanitra antsika. Izany koa no lazainay, tsy amin’ny teny ampianarin’ny fahendren’olona, fa amin’ny teny ampianarin’ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin’izay olona araka ny Fanahy izahay » (1Kor 2,12-13)
Fiadanana.
Amen.
Ny Mpitandrina