Fotoana fandinihan-tena ny karemy. Ka tahaka ny nataon’ny Tompo tamin’i Solomona, dia hoy koa Izy aminao manao hoe:
« Ary ianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay » (1Mpanj 28,9).
Fantany ny ao am-po sy ny eritreritra rehetra.Noho izany dia hibebaho raha misy tsy fahamarinana araka ny Soratra Masina ao.
Mazotoa ary mahereza mivavaka.
Ny Mpitandrina