2 Mpanjaka 5

Miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.
Ao amin’ny 2Mpanj 5 dia misy tantaran’ny zazavavy kely Israelita anankiray, mpanompon’i Namàna, izay komandin’ny miaramilan’ny mpanjakan’i Syria. Izy dia nofidin’ Andriamanitra mba hitarika ho amin’ny fahasitranan’i Namàna izay boka. Hoy izy:
« Enga anie ka mba ao amin’ny mpaminany izay any Samaria ny tompoko! dia hahasitrana azy amin’ny habokany izy » (and 3).
Nofidin’ny Tompo koa ianao mba hitondra fahasitranana ho an’ny hafa, koa mahereza amin’izany. Amen.
Ny Mpitandrina