“Fa hany ataoko: aoka ny fitondrantenanareo ho mendrika ny filazantsaran’i Kristy, mba handrenesako ny toetrareo (na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga), fa maharitra amin’ny fanahy iray hianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara, ka tsy ho azon’ny fahavalo ampitahorina hianareo na amin’inona na amin’inona; fa amin’ireo dia mariky ny fahaverezana izany, nefa mariky ny famonjena anareo kosa, sady avy amin’Andriamanitra.”
Filipiana 1:27-28