Miarahaba ny mpino rehetra amin’ny anaran’i Jesoa.
Hatao rahampitso Zoma 30/12/2022 amin’ny 19h ny Fanompoam-pivavahana amin’ny Faran’ny taona, eny amin’ny Plateau. Hisy Fanasana tongotra sy Asa sy Fampaherezana ao anatin’izany.
Ny lohahevitra dia: » Miaraka vaovao amin’ny taona vaovao isika »
16Ary tsy misy olona manampina lamba tonta amin’ny tapa-damba tsy mbola voalòna; fa ny vaovao izay natampina dia handrovitra ny lamba, ka hitatra ny triatra. 17Ary tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; raha izany, dia ho triatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba ny siny hoditra; fa ny siny hoditra vaovao no asian’ny olona divay vaovao, dia miara-maharitra izy roroa.
Mat 9,16-17
Mifampivavaka hatrany isika.
Ho tahian’i Jesoa ianareo. Amen.
Ny Mpitandrina