Lio 23:46

Miarahaba ny mpino rehetra amin’ny anaran’i Jesoa amin’izao Zoma Masina izao.
Toy izao no niafaran’ny fiainan’ny Tompo teo amin’ny hazofijaliana:
« Ary niantso tamin’ny feo mahery Jesoa ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko; ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy » (Lio 23,46).
Maty ho ahy, maty ho anao, maty ho antsika rehetra ny Tompo.
Ahoana no hanehoantsika an’izany amin’ny fiainantsika isan’andro?
Mahereza.
Ny Mpitandrina