Amin’ny anaran’i Jesoa no hiarahabana anareo ry havana.
Ho valin’ny fanoloranan’ny Tompo ny ainy ho antsika, dia zavatra tokana ihany no hangatahiny amiko sy aminao; ka hoy Izy:
« Mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy fanavotana amin’ Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika » (Efes 5,2)
Mahereza.
Ny Mpitandrina