1 Petera 1:21

Miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.
Ny herin’ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty no manamafy ny finoana sy ny fanantenana lehibe eo amin’ny fiainantsika mpino araka ny tenin’i Petera manao hoe:
« Izy no mahatonga anareo hino an’ Andriamanitra, Ilay nanangana Azy ho velona avy tany amin’ny maty sy nanome voninahitra Azy, mba hifantohan’ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin’ Andriamanitra » (1Pet 1,21 DIEM)
Sambatra isika mino an’ Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy velona. Amen.
Ny Mpitandrina