Teny hotorina ny Alahady 16 Jolay 2023 : 1 Mpanjaka 11:29-39

Miarahaba ny mpino rehetra amin’ny anaran’i Jesoa.
« Hevero ny fifidianana anareo » no lohahevitry ny toriteny rahampitso Alahady 16/07/2023. Izany dia miompana amin’ny 1Mpanj 11,29-39. Hoy ny and 33:
« Satria efa nahafoy Ahy izy ka niankohoka teo anatrehan’i Astarta, andriamanibavin’ny Sidoniana, sy Kemosy andriamanitr’i Moaba, ary Milkoma, andriamanitry ny tarank’i Amona, fa tsy nandeha tamin’ny làlako hanao izay mahitsy eo imasoko sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko tahaka an’i Davida rainy izy »
Misy ny Asa sy Fampaherezana ko samia miomana amin’izany.
Tahin’ny Tompo
Ny Mpitandrina