Lioka 2:15

Faly miarahaba ny mpino rehetra amin’izao fiandohan’ny herinandro izao.
Tsy misaraka amin’ny maha olom-boafidin’ Andriamanitra ny iraka hampanaovin’ny Tompo. Ohatra: ny mpiandry ondry tany an-tsaha (Lio 2,15):
« Ary tamin’izany, rehefa niala teo aminy ireo anjely ireo ka nankany an-danitra, dia niresaka ireo lehilahy mpiandry ondry ka nanao hoe: Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin’ny Tompo antsika »
Mahereza fa maniraka anao koa ny Tompo amin’ny maha olom-boafidy anao.
Tahin’ny Tompo
Ny Mpitandrina