Fifaliana ho anay hatrany ny miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.
Mampiavaka ny mpino mijoro amin’ny finoana ny fananany fahendrena arak’izao:
« Fa ny fahendrena avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy be voka-tsoa, tsy mianahana na mihatsaravelatsihy » (Jak 3,17)
Hivavaka isika mba ho tanteraka amintsika tsirairay avy izany. Amen.
Ny Mpitandrina