FIANGONANA (tohiny)
Raha ny Bokin’ny Asan’ny Apostoly no jerena dia, nihazakazaka tokoa ny fitomboan’isan’ny mpino:
120 isa: 1,15;
3000 isa: 2,41;
5000 isa: 4,4.
Ny nampiavaka ny Fiangonana voalohany tao Jerosalema (Asa 2,42-47):
2,42: izy ireo dia naharitra tamin’ny:
- fampianaran’ny Apostoly,
- ny fiombonana,
- ny famakiana ny mofo,
- ny fivavahana.
Horaisintsika tsirairay ireo:
- Ny fampianaran’ny Apostoly:
Baikon’i Jesoa ny fampianarana (Mat 28,20);
Ny fampianarana dia mifototra amin’i Jesoa Kristy nijaly sy maty ary nitsangana tamin’ny maty (1Kor 2,1-2). Jereo koa ny Rom 12, Asa 15,28-29. - Ny fiombonana na firahalahin’ny mpino ao anatin’ny fifakatiavana,
- Ny famakiana ny mofo:
Efa nataon’i Jesoa izany (Mat 14,19; Lio 24,30.35)
Ny famakiana ny mofo dia natao mba hahatsiarovana ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin’ny maty (Mat 26,26-29; Mar 14,22-25; Lio 22,14-20; 1Kor 11,23-25)
Baikon’ny Tompo ny famakiana ny mofo, mba hataon’ny Fiangonana, mandra-piaviny.
- Ny fivavahana:
Nanokatena sy naharitra nivavaka ny kristiana tao amin’ny Fiangonana voalohany.
Fanontaniana:
ahoana no fiainantsika Fiangonana ankehitriny an’ireo?
2,43:vokatr’ireo voalaza teo aloha ireo dia raiki-tahotra ny mino, ary mbola nanampy izany koa ny fahagagana sy ny famantarana maro nataon’ny Apostoly (jereo ny Asa 5,12-15)
Mbola hitohy …