Asa 2:24

Amin’ny anaran’i Jesoa no hiarahabanay anareo ry havana.
Raha misy ny milaza fa olombelona ihany Jesoa satria nety nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana Izy ary maty. Fa ny « Herin’ny fitsanganan’ny Tompo » kosa no manamarina ny maha Andriamanitra Azy.
Hoy ny Soratra Masina:
« Fa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan’ny fahafatesana, satria tsy laitran’izany hohazonina Izy » (Asa 2,24).
Tompo ô, hampitomboy ny finoanay Anao. Amen
Ny Mpitandrina