Miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa amin’izao herinandro vaovao izao.
Hijery ny maha sarobidy ny famakiana sy ny fisaintsainana isan’andro ny Soratra Masina isika amin’ity herinandro ity.
Hoy ny Tompo:
« Ary ho ao aminy izany ka hovakiny amin’ny andro rehetra hiainany, mba hianarany hatahotra an’i Jehovah Andriamaniny ka hitandrina ny teny rehetra amin’izao lalàna izao sy ireto didy ireto hankatoavany azy » (Deo 17,19)
Fanontaniana:
Manam-potoana hamakiana sy hisaintsainana ny Tenin’ Andriamanitra ve ianao isan’andro?
Ataovy izany fa mahasoa ny fiainam-panahy. Amen
Ny Mpitandrina