FIANGONANA (Tohiny sady farany)
Tsy miala ato amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly isika (2,42-47)
2,44: « Nino » no iantsoana ny kristiana eto. Izany dia avy amin’ny matoateny « mino ».
Maro samihafa no iantsoana ny mpanara-dia an’i Jesoa ato amin’ny Asan’ny Apostoly:
- ny rahalahy (1,15),
- mpianatra (6,1),
- làlana (momba izany fampianarana izany) (9,2),
- ny olona masina (9,13),
- kristiana (11,26) 2,45: tamin’ny fitiavana be tsy misy teritery no nanomezany ny fananany rehetra,
2,46: ireto koa no nampiavaka ny Fiangonana voalohany:
- niray saina isan’andro,
- nazoto nankeo an-kianjan’ny tempoly,
- nivory any an-tokatrano (mety ho nifindrafindra trano),
- namaky ny mofo tao an-trano
Nanana toe-panahy tamin’ny fahatsoram-po,
2,46: ankoatran’ny fiderana an’ Andriamanitra izay iainan’ny rehetra, dia nahita fitia tamin’ny vahoaka rehetra koa izy ireo. Angamba noho ny nataony ao amin’ny 4,33.
Zava-dehibe teo amin’ny Fiangonana voalohany ny fiarahana mandray ny Fanasan’ny Tompo ary tokony ho tsy ambaka an’izany isika ankehitriny.
Fiadanana.
An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.