Filipiana 3:7,8

Faly miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.
Androany dia hiaraka handinihan-tena isika ka hanao hoe:
« Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin’i Kristy. Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko, izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an’i Kristy
Amen » (Fil 3,7-8).
Inona no efa nataonao ho fatiantoka tamin’ny fanarahana an’i Jesoa ary inona koa no efa nataonao taimboraka satria ratsy sy masiso, tsy ilaina eo amin’ny fiainam-panahy?
Hamaly ny vavaka ataontsika anie ny Tompo.
Ny Mpitandrina