Lioka 20:34-36

Fifaliana ho anay hatrany ny miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.
Mbola ao anatin’ny lohahevitra hoe: « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo » isika amin’izao fotoana izao. Ka ny teny hotorina rahampitso Alahady dia:
« Ary Jesoa nanao taminy hoe: Ny zanak’izao fiainana izao dia mampaka-bady sady havoaka hampakarina; fa izay atao mendrika hahazo izany fiainana izany sy ny fitsanganana amin’ny maty kosa dia tsy mba mampaka-bady, na avoaka hampakarina; ary tsy mety maty intsony izy, fa mitovy amin’ny anjely sady zanak’ Andriamanitra satria zanaky ny fitsanganana amin’ny maty » (Lio 20,34-36).
Mirary tontolo andro sambatra ho anareo.
Ny Mpitandrina