essai list post

Fiaraha-mandinika Soratra Masina 13/03/2026

Lohateny: Ny tena fiainana ny fivavahana araka ny Jak 1,26-27 FITARIHAN-TENY: Matetika dia ny mandeha miangona any am-piangonana ihany no atao hoe mivavaka. Ho hitantsika eto fa tsy ampy izany. Tena misy koa takin’ny Tompo mba hianantsika mpivavaka isan’andro. Ho hitantsika eto amin’ity Fiarahana mandika Soatra Masina anio ity izany. FAMPIDIRANA: Ny mpanoratra ny Epistily dia Jakoba rahalahin’ny Tompo (Gal 1,19; 2,9). Izy dia iray amin’ireo antsoina hoe “Andrin’ny Fiangonana” tao Jerosalema, tao amin’ny Fiangonana voalohany.Ny anoratana: dia ireo firenena roa ambin’ny folo monina any am-pielezana…

tohiny Fiaraha-mandinika Soratra Masina 13/03/2026

Fiaraha-mandinika Soratra Masina 06/03/2026

Niarahana amin’ireo Sampana Lohateny : Maharitra amin’ny fiombonana (Asa 2,41-42) FIZARANA VOALOHANY FAMPIDIRANA: Ny azo hambara ho lesoka eto amin’ny Fiangonantsika amin’izao faha 45 taona izao, dia misy an’ireompikambana any amin’ny Sampana no tsy hita miangona isaky ny Alahady. Izany hoe tsy tonga izy raha tsyhanao zavatra ilay Sampana na koa manana anjara izy vao tonga. Fa maninona? Ary inona no antony?Nisafidy ny teny Faneva isika hoe “Fa Kristy no velona atoo anatiko” (Gal 2,20) ary izany indrindra notokony hitondra antsika amin’ny fandinihan-tena hoe: Marina amiko ve…

tohiny Fiaraha-mandinika Soratra Masina 06/03/2026

Fiaraha-mandinika Soratra Masina  20/02/2026

NY KAREMY Ny Alahady 22 Febroary 2023 no Alahady voalohany amin’ny Karemy. Koa heverina fa tsara ny miresaka ny amin’izany mba hahazoantsika mandroso hatrany amin’ny fanompoana ny Tompo. Tsy mitovy amin’ny datin’ny Noely izay Andro raikitra dia ny 25 Desambra ny datin’ny Paska sy ny Pentekosta, fa miovaova satria nahoana? 1-Ny Paska sy ny Pentekosta: Ny Concile de Nicée tamin’ny 325 no nanapaka ny datin’ny Paska ho toy izao: Ny alahady voalohany aorian’ny volana fenomanana aorian’ny “equinoxes du 21 mars” no Alahadin’ny Paska. Amin’ity taona 2026…

tohiny Fiaraha-mandinika Soratra Masina  20/02/2026

Fiaraha-mandinika Soratra Masina  06/02/2026

NIARAHANA TAMIN’NY SAMPANA DIMY SY NY FIANGONANA FAMPIDIRANA : Ao anatin’izao fankalazana ny Tompo noho ny faha 45 taonan’ny Fiangonana izao, dia tonga ao an-tsaina ny fanontaniana manao hoe : Tsangambatom-panahy manao ahoana ary no hatsangan’ny mpino tsirairay avy, ho an’i Jesoa, ato amin’ny Fiangonana ?Hodinihantsika izany ao anatin’izao fiaraha-mandinika Soratra Masina izao. MANOMPO NY TOMPO HO AN’NY FIANGONANA (1Kor 3,7-17) FITARIHAN-TENY : Ny Fiangonana tao Korinto dia Fiangonana nizarazara, noho ny fisian’ireo karazan’olona maro samy hafa niara-niangona tao. Ny jiosy tonga kristiana dia tena tia…

tohiny Fiaraha-mandinika Soratra Masina  06/02/2026

Fiaraha-mandinika Soratra Masina 30/01/2026

NIARAHANA TAMIN’NY SAMPANA VOKOVOKO MANGA Ny kristiana manoloana ny fisotroana toaka sy divay ary ny fifohana sigara sy ny zava-maha domelina isan-karazany. Fahotana ve ny fisotroana, nefa Jesoa ary dia namadika ny rano ho tonga divay ? Ahoana ny mikasika ny abstinence sy ny tempérance ary ny modération ? Inona no tokony hataon’ny kristiana manoloana an’izany ? Noho izany dia azo hatao lohahevitra ny hoe : Inona ny ambaran’ny Baiboly mikasika ny zava-mahamamo sy ny zava-maha domelina. FIZARANA FAHAROA 4-Ny divay ato amin’ny Baiboly : 4.1.…

tohiny Fiaraha-mandinika Soratra Masina 30/01/2026

Fiaraha-mandinika Soratra Masina 23/01/2026

NIARAHANA TAMIN’NY SAMPANA VOKOVOKO MANGA FITARIHANA : Ny kristiana manoloana ny fisotroana toaka sy divay ary ny fifohana sigara sy ny zava-maha domelina isan-karazany. Fahotana ve ny fisotroana, nefa Jesoa ary dia namadika ny rano ho tonga divay ? Ahoana ny mikasika ny abstinence sy ny tempérance ary ny modération ? Inona no tokony hataon’ny kristiana manoloana an’izany ? Noho izany dia azo hatao lohahevitra ny hoe : Inona ny ambaran’ny Baiboly mikasika ny zava-mahamamo sy ny zava-maha domelina. FIZARANA VOALOHANY 1-FAMPIDIRANA : Ny divay no…

tohiny Fiaraha-mandinika Soratra Masina 23/01/2026