Ny sampana Antoko Mpihira

ZAVA KENDRENY

Sampana Velona eo anivon’ny Fiangonana Krisitianina Malagasy Abidjan ny Antoko Mpihira FKMA.

Ny Adidiny sy Andraikiny voanalohany dia ny Ezaka fitarihana ny mpiara mivavaka sy ireo vita fanekena ho Mpandray ny Fanasàn’ny TOMPO, hiditra ho Mpikambana mavitrika.

Eo anivon’ny Sampana dia misy ny fitaizàna arapanahy ary fampianarana sy fiventesana hirampanahy amin’ny feo efatra vita solfa amin’ny ankapobeny, vatsy sy fitaovana goavana,tsy maintsy ilaina ho enti-manatontosa ny Asa hanirahan’ny TOMPO azy dia ny Fitoriana ny Filazantsara an-kira amin’ny mpino sy ivelan’ny Fiangonana araka izay azony atao.

Tsy Tarika ny Antoko mpihira, noho izany tsy voafetra ny isa, ary tsy misy fepetra manokana ahafahana miditra ho mpikambana afa-tsy ny fahavononana hanatontosa ny Iraka.

Azo lazaina ho Mpandray anjara feno amin’ny Litorijia ny Antoko Mpihira satria mikinezaka manentana ny hira iraisan’ny be sy ny maro, manatontosa ny anjara hirany amin’ ny fotoana ilàna izany, sns.
Manana ny Fitsipika mifehy azy ny Antoko Mpihira,

Koa eo antrehan’izany, dia ny Tompo Jesoa tokoa anie Homba mandrakariva ambarapahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao (Matio 28 :20), ary na dia Mpanompo tsy mahasoa ihany aza izahay (Lioka 17 :10) dia :
Tsy hitsahatra ny Hidera an’i JEHOVAH izahay, raha mbola miaina koa ; Eny, hankalaza an’ANDRIAMANITRA izahay, raha mbola velona koa (Salamo 146 :2)

BIRAO

Filoha : RAJAONARIFETRA Rivo Mahaleo
Filoha Mpanampy :
ANDRIANAIVO Laetitia
Tomponandraikitry ny serasera sady Mpitantsoratra
: RAKOTONIAINA Ando
Sekireteran’ny vola : RABOSAONA Hansa
Mpitahiry vola : RAJAONAH Mamy
Diakona Mpiahy : RAJAONARIFETRA Patricia
Mpihevidraharaha : RABETRANO Josette
Mpihevidraharaha : RAKOTOARISOA Toky Lalaina

Hetsika samihafa

Takariva Noely 2025

Déc 24, 2025 161
Takariva Noely 2025

Post Views: 29

Sortie détente

Sep 4, 2025 226
Sortie détente

Post Views: 26