Fiaraha-mandinika ny Soratra Masina

Sehatra iray handalinana ny Soratra Masina izy io. Ny Mpitandrina RAKOTONIAINA no mitarika ny dinika. Hanasana anao izay mahatsapa fa mila mitombo amin’ny fianarana ny Soratra Masina na handalina ny Soratra Masina. Io no sehatra hahafahanao manatanteraka izany. Koa dia manasa anao ho avy amin’ny 7 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora hariva, isaky ny zoma.


Ny antsipiriany

Famintinana fiaraha-mandinika Soratra Masina 17/11/2023: Ireo « Sisa »

Lohahevitra: IREO SISA (le reste d’Israël, les survivants) Ireo antsoina hoe « sisa », ka irafetan’ireo teny fikasana na fampanantenan’ Andriamanitra no resahana ato amin’ity lohahevitra ity. Na koa:Ireo mbola hisy aorian’ny fitsaran’ Andriamanitra izay natao mba hanadiovany ny olony (Ezra 9,8; Zak 14,2) Ireo sisa ireo dia antsoina koa hoe: Ny teny hoe…

Nov 17, 2023 485

Famintinana fiaraha-mandinika Soratra Masina : “Prédestination” Fizarana farana

FIARAHANA MANDINIKA SORATRA MASINA 10/11/2023, Prédestination (tohiny sady farany) 4.4: Rom 9,22-23: Fanaky ny fahatezerana sy ny fanaky ny famindrampo (vases de colère et vases de miséricorde) Araka ny dikan-teny fototra dia vazy no nadika amin’ny teny malagsy hoe: fanaka. Koa dia tazonina « ny vazy ». Misy vazy roa karazana no hitantsika eto:…

Nov 10, 2023 548

Fiaraha-mandinika Soratra Masina 10/11/2023

Miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.Mifarana androany ny Fiarahana mandinika Soratra Masina mikasika ny prédestination, koa manasa anao mba ho tonga amin’izany:« Fa milaza ny fahendren’ Andriamanitra izahay ka maneho zava-miafina, dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin’ Andriamanitra ho voninahitsika talohan’ny nanaovana izao tontolo izao; ary tsy nisy nahalala izany ny mpanapaka izao tontolo…

Nov 10, 2023 389

Famintinana fiaraha-mandinika Soratra Masina : “Prédestination” Fizarana faharoa

Araka ny hitantsika teo aloha dia ny Rom 9,8-23 no entintsika mandinika an’ity lohahevitra ity. 4.1. Niandoha tamin’i Abrahama ny teny fikasana (9,8-9). Malalaka amin’ny safidiny ny Tompo.9,10-16: Misongadina eto ny maha Andriamanitra an’ Andriamanitra:Ny prédestination dia efa hitantsika eto sahady: « Fa raha tsy mbola teraka ireo … » (9,11): 4.2. 9,17-18: Mampiasa…

Nov 3, 2023 516

Fiaraha-manidinika Soratra Masina 03/11/2023: “Prédestination” Fizarana faharoa

Miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.Ny « prédestination » (fizarana faharoa) no dinihantsika anio hariva, koa tongava maro. Hoy ny Tompo:« Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro; ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena » (Jer 1,5)Tahin’ny Tompo.Ny Mpitandrina Post…

Nov 3, 2023 428