Sehatra iray handalinana ny Soratra Masina izy io. Ny Mpitandrina RAKOTONIAINA no mitarika ny dinika. Hanasana anao izay mahatsapa fa mila mitombo amin’ny fianarana ny Soratra Masina na handalina ny Soratra Masina. Io no sehatra hahafahanao manatanteraka izany. Koa dia manasa anao ho avy amin’ny 7 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora hariva, isaky ny zoma.
Ny antsipiriany
Famintinana fiaraha-mandinika Soratra Masina : « Prédestination » Fizarana voalohany
27/10/2023, Lohateny: Prédestination 1.Fampidirana: Misy ny olona sasany no misalasala ary tsy mahazo antoka hoe: voavonjy ve izy raha amin’izao ny Tompo no tonga? Misy ny manontany hoe: raha misy zazakely vao teraka andro vitsivitsy kanefa dia maty. Voavonjy ve izy sa tsia satria tsy mbola vita batisa?Hiarahantsika mamaly ao antin’i resaka…
Fiaraha-mandinika Soratra Masina 27/10/2023 : Prédestination (fizarana voalohany)
Manonona ny fahasoavan’i Jesoa mba ho aminareo mandrakariva.Ny « prédestination » izay mikasika ny dogmatique no hojerentsika androany hariva amin’ny 7h-8h any am-piangonana.Tongava maro.« Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainanana mandrakizay » (Jao 3,16)Tahin’ny Tompo.Ny Mpitandrina Post Views:…
Famintinana fandinihina Soratra Masina ny 20/10/2023 : Ny Fianakaviana ato amin’ny Baiboly ( tohiny sady farany)
Ny fianakaviana ato amin’ny Soratra Masina (tohiny sady farany) 4. Mba hihazonana ny fitahiana dia nomeny ny didiny mba hankatoavina, dia ny Didy folo (Eks 20,2-17; Deo 5,6-21)Miainga amin’ireo Fitahiana sy ozona ao amin’ny Deo 28, dia ireto misy zavatra tsy maintsy ataon’ny isa-pianakaviana (28,1-2; 13) 5. Ireto misy ankohonana nisafidy ny…
Fiaraha-mandinika Soratra Masina 20/10/2023 : 1Mpanjaka 14:10
Miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.Hiaro sy hamonjy ary hitahy ny fianakaviana no tian’ Andriamanitra, fa rehefa nanao zavatra tsy ankasitrahany kosa dia ozona no hiafarany.Hoy Izy:« Koa noho izany dia, indro hahatonga loza amin’ny taranak’i Jeroboama Aho ka handringana izay lehilahy rehetra amin’ny tamingan’i Jeroboama, na ny voahazona na ny afaka amin’ny Israely,…
Famintinana fandinihina Soratra Masina ny 13/10/2023 : Ny fianakaviana ato amin’ny Baiboly
Ao anatin’ny lohahevitra hoe « Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana » isika amin’izao. Noho izany dia heverinay fa mety ny mandinika an’ireo Soratra Masina vitsivitsy mikasika ny fianakaviana. 1.Famaritana: Amin’ny maha Malagasy antsika, dia handeha araka izay hita ao amin’ny Rakibolana malagasy nosoratan’i Régis RAJEMISA – RAOLISON no horaisina: Fianakaviana (anaka): fitambaran’ny ray…