Sehatra iray handalinana ny Soratra Masina izy io. Ny Mpitandrina RAKOTONIAINA no mitarika ny dinika. Hanasana anao izay mahatsapa fa mila mitombo amin’ny fianarana ny Soratra Masina na handalina ny Soratra Masina. Io no sehatra hahafahanao manatanteraka izany. Koa dia manasa anao ho avy amin’ny 7 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora hariva, isaky ny zoma.
Ny antsipiriany
Fiaraha-mandinika ny Soratra Masina : Lioka 19:9
Finaritra.Ny fiaraha mandinika Soratra Masina anio hariva dia handinihantsika ny mikasika ny ankohonana na fianakaviana ato amin’ny Baiboly.Hoy Jesoa:« Anio no tonga eto amin’ity trano ity ny famonjena, fa izy (Zakaiosy) dia zanak’i Abrahama koa » (Lio 19,9)Fiadanana.Ny Mpitandrina Post Views: 49
Fiaraha-mandinika ny Soratra Masina : Romana 7:1-6
Miarahaba ny mpino rehetra amin’ny anaran’i Jesoa.« Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana » no lohahevitra Oktobra, dia handeha ny « Fifandraisana misy eo amin’ny fanambadiana sy ny fifandraisan’ny mpino amin’ny lalàna » ( Rom 7,1-6) no dinihantsika amin’ny Fiaraha-mandinika Soratra Masina rahariva.Tongava maro.Fiadanana.Ny Mpitandrina 1Tsy fantatrareo, va, ry rahalahy (fa miteny amin’izay mahalala ny lalàna…
Marka 7:20-23
Miarahaba ny mpianakavin’ny finoana amin’ny anaran’i Jesoa.Manomboka anio ny Fiaraha-mandinika Soratra Masina (étude biblique)Ny hojerentsika amin’izany dia ny Mar 7,20-23; dia ireo rehetra mampaloto ny olona.Amin’ny 7-8 ora ny fotoana any am-poangonana.Manasa antsika rehetra.Tahin’ny Tompo.Ny Mpitandrina “Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin’ny olona, dia izany no mahaloto azy. Fa avy…
1 Tesaloniana 5:25
Finaritra. Mifarana androany ny lohahevitra mikasika ny « fifidianana ». Hoy ny Apostoly Paoly:« Ry rahalahy, mivavaha ho anay » (1Tes 5,25). Nofidina mba hifampivavaka isika samy olo-boafidy, koa samia mahery amin’izany.Tahin’ny Tompo. Ny Mpitandrina Post Views: 52
Kolosiana 3:19
Miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.Efa nomena omaly ny Kol 3, 18 mahakasika ny vehivavy. Indro indray ny mahakasika antsika lehilahy: « Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, ary aza sosotra (mangidy) aminy (Kol 3 19)Manasa ny mpivady rehetra mba ho tonga maro fa hifampizara ny amin’izany isika androany hariva any am-piangonana amin’ny 7-8 ora.Ho…