Fiaraha-mandinika ny Soratra Masina

Sehatra iray handalinana ny Soratra Masina izy io. Ny Mpitandrina RAKOTONIAINA no mitarika ny dinika. Hanasana anao izay mahatsapa fa mila mitombo amin’ny fianarana ny Soratra Masina na handalina ny Soratra Masina. Io no sehatra hahafahanao manatanteraka izany. Koa dia manasa anao ho avy amin’ny 7 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora hariva, isaky ny zoma.


Ny antsipiriany

Kolosiana 3:18

Miarahaba anareo rehetra amin’ny anaran’i Jesoa. Lohahevitra mikasika ny andraikitry ny mpivady amin’ny vadiny avy no dinihantsika amin’ny Fiaraha-mandinika Soaratra Masina rahampitso zoma 23/06/2023. Ka anisan’izany ity: « Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao amin’ny Tompo » (Kol 3,18). Manasa ny mpivady rehetra na dia izay tsy mpanatrika hatramin’izay ary mba…

Juin 22, 2023 367

Jaona 20:21-23

Miarahaba ny mpino rehetra amin’ny anaran’i Jesoa.Ny Jaona 20,21-23 no hiarahantsika mandinika rahampitso Zoma 16 Jona 2023. Hoy ny and 22-23:« Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy: Raiso ny Fanahy Masina ; na helok’iza na helok’iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na an’iza na an’iza kosa…

Juin 15, 2023 457

Matio 18:18

Faly miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.Ity ny Soratra Masina faharoa izay hiaraha-mandinika androany hariva.Hoy i Jesoa:« Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo etý ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo etý ambonin’ny tany dia hovahana any an-danitra » (Mat 18,18)Amin’ny 7 ora hariva no fotoanantsika any…

Juin 9, 2023 339

Fiaraha-mandinika soratra masina ny Zoma 09 Jona 2023

Mamerina ny fiarahabana anareo. Ny hojerentsika amin’ny Fiaraha-mandinika Soaratra Masina amin’ny zoma 9 Jona 2023 izao dia ny Mat 16,19 sy ny 18,18. Ny toerana dia eto amin’ny Fiangonana eto Plateau. Tongava maro.Tahin’ny Tompo. Ny Mpitandrina Post Views: 43

Juin 6, 2023 389

Famintinana fianarana soratra masina ny Zoma 02 Jona 2023 : Salamo 16

1. Fampidirana: Ny Salamo « Tehillim » na « Fihirana » no dikany amin’ny teny Hebreo satria Fihirana fiderana an’ Andriamanitra no hita ao.Amin’ny teny Grika dia « ψαλμοί »[Psalmoi] izay midika hoe: hira hiraina miaraka amin’ny zava-maneno misy tadiny, toy ny lokanga sy ny valiha. Misy zava-maneno hafa toy ny sodina sy maro hafa koa anefa no…

Juin 2, 2023 424